RADIO EVANGELIQUE
JIRO SY FANASINA

FM 106.2 Mhz

:

Tantara

Onjam-peo nitsangana tamin’ny 24 febroary 1996 ary mitory ny “ Filazantsara” na ny “Vaovao mahafaly” dia ny Fitiavan’Andriamanitra. Tsy miankina amin’ny antokom-pivavahana fa miara-miasa @ fiangonana sy ireo fikambanana kristianina maro.

Mombamomba

Tao anatin’izay taona maro nitsanganany izay, dia maro ny olona nahita voka-tsoa tamin’ny fihainoana ny onjam-peo: betsaka ny fanahy voavonjy, maro ny tokantrano sitrana, nampisy fanantenana indray ho an’ireo izay saika namoy fo, mikolokolo ny fiainam-panahin’ny olona maro, sy ny sisa tsy voatanisa.

Fidiram-bola

Tsy manana fidiram-bola raikitra anefa ny onjam-peohahafahany miodina tsara, fa noho ny fahasoavana sy ny famindram-pon’Andriamanitra no mampandeha azy hatramin’izao, anisany lehibe amin’izany ny fanohanana hataon’ireo olona maro malala-tanana.

Tanjona

Ny tanjon'ny REJF amin'ny hoavy.

Ny hanaparitaka ny filazantsara arak’izay tratra araky ny voalaza ao amin’ny Matio 24:14 “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tongany farany”, ny handraisan’ny olona rehetra an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany manokana, mba hanana antoka ny fiainana mandrakizay ary ny hamolavola olom-pirenena vanona.

Fandaharam-potoana

Ny fandaharam-potoana mandritran'ny herinandro

Ny radio dia misokatra manomboka amin'ny 4ora sy sasany maraina ary mikatona amin'ny 10ora alina.

Fanohanana

Raha te handray anjara amin’ny fanohanana ny onjam-peo ianao, na ara-bavaka, na ara-bola, na koa ara-pitaovana, dia ireto misy santionam-pandanianaisam-bolana hahafahanao mandraisana anjara: hofan-trano, jiro sy rano, karaman’ny mpiasa, hetra, OMDA, ARTEC, fikolokoloana sy fanatsarana ny fitaovana, saram-pifandraisana. Raha misy ny fanampiana ara-bola tianao atao dia azonao arotsaka ao amin’ny :

Airtel Money

+261 33 12 652 77

MVola

+261 34 01 491 47

Orange Money

+261 32 -- --- --